Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 3:4-12 Malagasy Bible (MG1865)

4. Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy.

5. Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.

6. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.

7. Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:

8. Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.

9. Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.

10. Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.

11. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.

12. Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 3