Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 17:36-55 Malagasy Bible (MG1865)

36. Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.

37. Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.

38. Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.

39. Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany.

40. Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.

41. Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.

42. Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy.

43. Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina

44. sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy.

45. Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.

46. Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.

47. Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.

48. Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina.

49. Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy.

50. Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.

51. Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.

52. Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.

53. Ary ny Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.

54. Ary ny lohan'ilay Filistina dia noraisin'i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin'ny lainy.

55. Ary nony nahita an'i Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 17