Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 8:36-49 Malagasy Bible (MG1865)

36. dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.

37. Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,

38. izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian'ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy

39. dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra),

40. mba hatahorany Anao amin'Izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.

41. Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao izy

42. (fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,

43. dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.

44. Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalon'ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin'i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy,

45. dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.

46. Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia ho entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tanin'ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.

47. ary mahatsiaro any amin'ny tanin'ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.

48. ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin'ny tanin'ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,

49. dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy;

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 8