Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 21:11-20 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan'i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin'ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.

12. Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an'i Nabota teo anatrehan'ny olona.

13. Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an'i Nabota teo anatrehan'ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin'ny olona nivoaka teny ivelan'ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.

14. Dia naniraka tany amin'i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty.

15. Ary rehefa ren'i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty.

16. Ary rehefa ren'i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.

17. Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:

18. Miaingà, ka midìna hihaona amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.

19. Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain'i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.

20. Ary hoy Ahaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 21