Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 2:19-36 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary Batseba nankany amin'i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin'ny ankavanany izy.

20. Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.

21. Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin'i Adonia rahalahinao.

22. Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba, zanak'i Zeroia.

23. Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.

24. Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.

25. Ary Solomona mpanjaka naniraka an'i Benaia, zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty.

26. Ary Abiatara mpisorona dia nilazan'ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin'izao andro izao. satria nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay rehetra nampahoriana azy.

27. Ary Solomona dia nanongana an'i Abiatara tsy ho mpisoron'i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin'i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin'ny taranak'i Ely, izy.

28. Ary ren'i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.

29. Ary nambara tamin'i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.

30. Ary Benaia tonga tao amin'ny tranolain'i Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain'i Joaba, ary izany no navaliny ahy.

31. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i Joaba.

32. Dia hatsingerin'i Jehovah ho amin'ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin'ny sabatra, dia Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'ny Isiraely sy Amasa, zanak'i Jatera, komandin'ny miaramilan'ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory

33. Eny, ny ran'izy roa lahy ireo hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany mandrakizay; fa amin'i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin'ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i Jehovah.

34. Dia niakatra Benaia, zanak'i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin'ny fonenany tany an-efitra izy.

35. Ary Benaia, zanak'i Joiada, no notendren'ny mpanjaka ho solony ho komandin'ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren'ny mpanjaka ho solon'i Abiatara.

36. Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 2