Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 14:1-17 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'izany andro izany dia narary Abia, zanak'i Jeroboama.

2. Ary hoy Jeroboama tamin'ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr'olona ho vadin'i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan'ity firenena ity aho.

3. Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.

4. Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.

5. Ary Jehovah efa nilaza tamin'i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin'i Jeroboama hanontany anao ny amin'ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.

6. Ary nony ren'i Ahia ny fingodongodon'ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.

7. Koa mandehana, ka lazao amin'i Jeroboama hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin'ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,

8. ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin'ny taranak'i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin'ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;

9. fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:

10. koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin'ny tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.

11. Koa izay tamingan'i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.

12. Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.

13. Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

14. Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an'ny Isiraely izay handringana ny taranak'i Jeroboama amin'izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.

15. Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah.

16. Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.

17. Dia niainga ny vadin'i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin'ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 14