Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 19:12-32 Malagasy Bible (MG1865)

12. ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.

13. Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.

14. Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.

15. Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?

16. Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.

17. Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo.

18. Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.

19. Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.

20. Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny.

21. Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa.

22. Ary ny roa lahy tamin'izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.

23. Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana izany.

24. Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i Diana tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy;

25. ireny mbamin'ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.

26. Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.

27. Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao.

28. Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!

29. Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.

30. Ary raha te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra.

31. Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana.

32. Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 19