Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 5:7-16 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an'i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.

8. Dia hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany ho afaka amin'ny vozony, fa tsy hohenteriny izy.

9. Ary hamafazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ran'ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo ambodin'ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.

10. Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.

11. Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.

12. Dia hitondra azy ho eo amin'ny mpisorona izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.

13. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin'ny anankiray amin'ireo, dia havela ny helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.

14. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

15. Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho fanati-panonerana.

16. Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 5