Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 42:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona

2. ka niteny tamin'i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan'ny masonao izao),

3. mba hambaran'i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.

4. Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.

5. Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.

6. Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.

7. Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah.

8. Ary izy niantso an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe,

9. ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko eo anatrehany ny fifonanareo:

10. Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo.

11. Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany.

12. Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin'ny taninareo.

13. Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,

14. fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,

15. dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin'ny Joda: Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any,

Vakio ny toko manontolo Jeremia 42