Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 37:14-21 Malagasy Bible (MG1865)

14. Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin'ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin'i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin'ny mpanapaka.

15. Ary tezitra tamin'i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.

16. Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin'ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,

17. dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin'i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ianao.

18. Ary hoy koa Jeremia tamin'i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin'ny mpanomponao, na tamin'ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?

19. Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan'i Babylona?

20. Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.

21. Dia nasain'i Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 37