Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 37:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;

2. nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy an'i Jeremia mpaminany.

3. Ary Zedekia mpanjaka naniraka an'i Jehokala, zanak'i Selemia, sy Zefania, zanak'i Mahaseia, mpisorona, ho any amin'i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay.

4. Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin'ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao an-trano-maizina izy.

5. Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan'i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.

6. Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'i Jehovah hoe:

7. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin'ny mpanjakan'ny Joda, izay naniraka anareo hankatį»³ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan'i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;

8. fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.

9. Izao no lazain'i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.

10. Fa na dia mamely ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin'ny afo.

11. Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan'ny Kaldeana noho ny amin'ny miaramilan'i Farao,

12. dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin'ny vahoaka.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 37