Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 40:3-17 Malagasy Bible (MG1865)

3. Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.

4. Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra hitanao.

5. Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny volotara koa.

6. Dia tonga teo amin'ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran'ny volotara ny sakany.

7. Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.

8. Dia norefesiny koa ny lavarangan'ny vavahady, ka eran'ny volotara koa.

9. Ary norefesiny ny lavarangan'ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan'ny vavahady dia teo anatiny.

10. Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.

11. Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.

12. Ary nisy nifefy teo anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.

13. Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.

14. Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.

15. Ary hatreo anoloan'ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.

16. Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia avokoa.

17. Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 40