Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 9:16-29 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin'ny lalana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.

17. Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.

18. Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.

19. Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin'izany andro izany.

20. Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an'i Arona koa aho tamin'izany andro izany.

21. Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin'ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin'ny renirano izay midina avy amin'ny tendrombohitra.

22. Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an'i Jehovah.

23. Ary raha nampandehanin'i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.

24. Eny, niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo hatramin'ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.

25. Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain'i Jehovah fa handringana anareo Izy.

26. Dia nifona tamin'i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin'ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tananao mahery.

27. Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran'ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,

28. fandrao izay monina amin'ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain'i Jehovah ny hitondra azy ho any amin'ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.

29. Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 9