Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 20:20-35 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.

21. Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.

22. Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.

23. Ary ny amin'ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.

24. Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana

25. teo amin'ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin'ny fipetrahana teo anilan'ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan'i Davida.

26. Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.

27. Ary nony tamin'ny andro faharoa dia ny ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, dia hoy Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan'ny zanak'i Jese hihinana omaly sy androany?

28. Ary Jonatana namaly an'i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema

29. nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka.

30. Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon'ny reninao.

31. Fa raha mbola velona etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.

32. Ary Jonatana namaly an'i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?

33. Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida.

34. Dia nitsangana niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.

35. Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony tamin'i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 20