Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 8:26-41 Malagasy Bible (MG1865)

26. Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida raiko mpanomponao.

27. Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!

28. Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio,

29. mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.

30. Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.

31. Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy,

32. dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.

33. Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity trano ity izy,

34. dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao ny razany izy.

35. Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao,

36. dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.

37. Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,

38. izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian'ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy

39. dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra),

40. mba hatahorany Anao amin'Izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.

41. Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao izy

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 8