Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 14:7-21 Malagasy Bible (MG1865)

7. Koa mandehana, ka lazao amin'i Jeroboama hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin'ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,

8. ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin'ny taranak'i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin'ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;

9. fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:

10. koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin'ny tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.

11. Koa izay tamingan'i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.

12. Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.

13. Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

14. Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an'ny Isiraely izay handringana ny taranak'i Jeroboama amin'izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.

15. Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah.

16. Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.

17. Dia niainga ny vadin'i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin'ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;

18. dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia mpaminany mpanompony.

19. Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.

20. Ary ny andro nanjakan'i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.

21. Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 14