Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 3:10-20 Malagasy Bible (MG1865)

10. Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.

11. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.

12. Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.

13. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.

14. Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao:

15. Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.

16. Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao;

17. fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;

18. dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.

19. Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.

20. Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 3