Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 12:2-10 Malagasy Bible (MG1865)

2. sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.

3. Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.

4. Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;

5. ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany.

6. Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.

7. Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,

8. nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.

9. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.

10. Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 12