Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 19:10-15 Malagasy Bible (MG1865)

10. Dia torotoroy eo imason'ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,

11. ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin'ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.

12. Dia toy izany no hataoko amin'ity tanàna ity sy amin'izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an'i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah.

13. Ary ny tranon'i Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an'i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an'izay andriamani-kafa.

14. Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan'i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah izy, dia nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:

15. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 19