Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 55:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.

2. Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.

3. Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida.

4. Indro, nataoko vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin'ny firenena.

5. Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.

6. Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.

7. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.

8. Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Isaia 55