Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 34:9-25 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,

10. Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany ianareo.

11. Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;

12. na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.

13. Ary ny zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an'i Dina anabaviny;

14. ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.

15. Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,

16. dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.

17. Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.

18. Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.

19. Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy.

20. Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:

21. Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.

22. Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.

23. Tsy ho antsika va ny omby aman'ondriny sy ny fananany mbamin'ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.

24. Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany.

25. Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 34