1. Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin'ny firenena sy andriambavy tamin'ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!
2. Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.
3. Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben'ny fanompoana; Mipetraka ao amin'ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.
4. Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin'ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon'ny fahoriana mangidy.
5. Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan'ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony,
6. Ary ny voninahitr'i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy.
7. Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.