Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 45:11-19 Malagasy Bible (MG1865)

11. Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon'ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.

12. Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin'ny folo no ho manenareo.

13. Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary tritika; ary haloanareo koa ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary hordea;

14. ary ny didy ny amin'ny diloilo (ny diloilo iray bata) dia ampahafolon'ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo, satria bata folo no homera iray.

15. Ary ondry iray isan-droanjato amin'ny tanin'ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.

16. Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely.

17. Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin'ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin'ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman'ny taranak'Isiraeb; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-Pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny taranak'Isiraeb.

18. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha mby amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia haka vantotr'ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masina.

19. Ary hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny vavahadin'ny kianja anatiny.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 45