Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 20:29-41 Malagasy Bible (MG1865)

29. Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin'ny fitoerana avo alehanareo ? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka androany.

30. Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,

31. ary mandoto tena amin'ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin'ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.

32. Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo.

33. Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo.

34. Ary amin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo.

35. Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.

36. Tahaka ny nifandaharako tamin'ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.

37. Ary hampandaloviko eo ambanin'ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin'ny fanekena.

38. Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin'ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

39. Ary ny aminareo, ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny sampinareo.

40. Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan'ny taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin'ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra,

41. Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin'ny hitondrako anareo mivoata avy any amin'ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin'ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho amin'ny hataoko aminareo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 20