Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 13:8-21 Malagasy Bible (MG1865)

8. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.

9. Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.

10. Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy madity,

11. koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.

12. Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?

13. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny fahavinirako hahafongana azy.

14. Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

15. Dia hotanterahiko amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,

16. dia ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.

17. Koa ianao, ry zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,

18. ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo!

19. Ary manamavo Ahy ao amin'ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin'ny andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny lainganareo.

20. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.

21. Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 13