Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Estera 6:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan'ny mpanjaka izany.

2. Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an'i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka.

3. Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon'ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.

4. Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka tamin'izay hiteny amin'ny mpanjaka ny amin'ny hanantonana an'i Mordekay amin'ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.

5. Ka hoy ny zatovon'ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.

6. Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian'ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?

7. Ka dia hoy Hamana tamin'ny mpanjaka: Ny amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra,

8. aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;

9. dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay malaza indrindra amin'ny mpanapaka voatendrin'ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin'ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.

10. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.

Vakio ny toko manontolo Estera 6