Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 38:8-23 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary ny tavy varahina sy ny faladiany vara­hina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

9. Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;

10. ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany vara­hina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.

11. Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.

12. Ary tamin'ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.

13. Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.

14. Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.

15. Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;

16. Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban'ny kianja manodidina.

17. Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.

18. Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.

19. Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.

20. Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.

21. Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.

22. Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

23. Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 38