Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 38:22-31 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

23. Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.

24. Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.

25. Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina:

26. beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay rehetra voalamina, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.

27. Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba: dia faladia zato tamin'ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.

28. Ary tamin'ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin'ny andry, sy nametahana takela-bola tamin'ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.

29. Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.

30. Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,

31. ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 38