Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 17:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona.

2. Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo?

3. Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?

4. Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.

5. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.

6. Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 17