Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 29:3-16 Malagasy Bible (MG1865)

3. Nefa tsy nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.

4. Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny tongotrao ny kapanao.

5. Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

6. Ary nony tonga tamin'ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.

7. Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.

8. Dia tandremo ny tenin'izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin'izay rehetra ataonareo.

9. Hianareo rehetra miseho eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely,

10. ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin'ny tobinareo mbamin'ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao

11. hidiranao amin'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon'i Jehovah Andriamanitrao aminao anio,

12. hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin'ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.

13. Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao,

14. fa amin'izay eto amintsika anio eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika sy amin'izay tsy eto amintsika anio koa;

15. fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin'ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin'ny jentilisa;

16. ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy;

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 29