Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 30:17-27 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa nisy maro tao amin'ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an'i Jehovah.

18. Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin'ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an'ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà

19. izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan'ny fitoerana masina aza izy.

20. Ary Jehovah nihaino an'i Hezekia ka nahasitrana ny olona.

21. Ary ny Zanak'isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an'i Jehovah isan'andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an'i Jehovah.

22. Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an'i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

23. Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin'ny hafaliana izy.

24. Fa Hezekia, mpanjakan'ny Joda, nanome vantotr'ombilahy arivo sy ondry aman'osy fito arivo ho an'ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr'ombilahy arivo sy ondry aman'osy iray alina ho an'ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.

25. Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin'ny Isiraely mbamin'ny vahiny izay avy tany amin'ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.

26. Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin'ny andron'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.

27. Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin'Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masina, ny fivavany.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 30