Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 15:8-17 Malagasy Bible (MG1865)

8. Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin'i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an'i Jehovah.

9. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.

10. Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin'ny firenen'Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon'ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.

11. Ary nisy roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.

12. Ary Absaloma naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an'i Absaloma.

13. Ary nisy olona tonga tao amin'i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an'i Absaloma fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.

14. Ary hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna.

15. Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.

16. Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin'ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin'ny vaditsindranony hiandry trano.

17. Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 15