Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 12:17-31 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.

18. Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.

19. Ary nony hitan'i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.

20. Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.

21. Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.

22. Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?

23. Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.

24. Ary Davida nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,

25. dia naniraka an'i Natana mpaminany ka nanao ny anaran'ny zaza hoe Jedidia noho ny amin'i Jehovah.

26. Ary Joaba namely an'i Raban'ny taranak'i Amona ka nahafaka ny tanànan'ny mpanjaka.

27. Ary Joaba naniraka olona tany amin'i Davida nanao hoe: Namely an'i Raba aho ka nahafaka ny tanàna misy rano.

28. Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy.

29. Ary Davida namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy.

30. Dia nesoriny ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.

31. Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 12