Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 17:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.

2. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely teo alohany.

3. Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan'i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra ho azy Hosea.

4. Ary ny mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.

5. Dia niakatra ny mpanjakan'i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona.

6. Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron'i Habora (dia ny onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana.

7. Ary ny nahatongavan'izany dia noho ny nanotan'ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho afaka tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy

8. ka nandeha araka ny fanaon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely sy araka ny didy izay nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely.

9. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an'i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin'ny tanànany rehetra, dia hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 17