Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 4:14-22 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary rehefa ren'i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin'i Ely.

15. Ary efa valo amby sivi-folo taona Ely tamin'izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy.

16. Ary hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin'ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka?

17. Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan'ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.

18. Ary nony nilaza ny amin'ny fiaran'Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin'ny sezany teo anilan'ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.

19. Ary ny vinantoni-vavy, vadin'i Finehasa, nanan'anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.

20. Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.

21. Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran'ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.

22. Ary hoy izy: Afaka tamin'ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 4