Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 22:9-20 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon'i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak'i Jese tonga tany Noba aho tany amin'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba.

10. Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin'i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr'i Goliata Filistina.

11. Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an'i Ahimeleka mpisorona, zanak'i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin'ny mpanjaka izy rehetra.

12. Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak'i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko.

13. Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak'i Jese, tamin'ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin'Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao?

14. Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an'i Davida, izay vinanton'ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao?

15. Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin'izany rehetra izany, na kely na be.

16. Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra.

17. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodina, ka vonoy ny mpisoron'i Jehovah; fa ny tànan'ireo koa momba an'i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon'ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'i Jehovah.

18. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodina ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.

19. Dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan'ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman'osy.

20. Ary ny anankiray tamin'ny zanak'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an'i Davida.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 22