Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 20:30-42 Malagasy Bible (MG1865)

30. Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon'ny reninao.

31. Fa raha mbola velona etį»³ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatį»³ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.

32. Ary Jonatana namaly an'i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?

33. Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida.

34. Dia nitsangana niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.

35. Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony tamin'i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.

36. Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.

37. Ary nony efa tonga teo amin'ilay nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin'i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?

38. Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin'i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony.

39. Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton'izany.

40. Dia nomen'i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto.

41. Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy loatra.

42. Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 20