Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 2:18-35 Malagasy Bible (MG1865)

18. Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.

19. Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.

20. Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.

21. Ary Jehovah namangy an'i Hana, ka dia nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan'i Jehovah.

22. Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

23. Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin'izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo.

24. Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon'i Jehovah ianareo.

25. Raha misy olona manota amin'olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.

26. Ary Samoela zaza nitombo, sady tian'i Jehovah sy ny olona koa izy.

27. Ary nisy lehilahin'Andriamanitra nankany amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao izy?

28. Eny, nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin'ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an'ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny Zanak'Isiraely amin'ny afo.

29. Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra aterin'ny Isiraely oloko?

30. Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.

31. Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao.

32. Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.

33. Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.

34. Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy.

35. Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 2