Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 20:14-26 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary hoy Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha ? Hianao ihany, hoy izy.

15. Ary nandamina ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany.

16. Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.

17. Ary ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.

18. Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.

19. Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy.

20. Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin'ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin'ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.

21. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.

22. Ary ilay mpaminany nankany amin'ny i mpanjakan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan'i Syria hiady aminao.

23. Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjakan'i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr'izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.!

24. Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin'ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy;

25. ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon'ny soavaly sy kalesy ho solon'ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin'ireo izy, ka dia nataony izany.

26. Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin'ny Isiraely.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 20