Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 5:7-17 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa.

8. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.

9. Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika.

10. Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.

11. Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

12. Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;

13. fa hatrany alohan'ny lalàna aza dia nisy ota tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;

14. fa ny fahafatesana nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'ilay ho avy.

15. Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa.

16. Ary tsy tahaka ny avy amin'ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon'ny anankiray no nisehoan'ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan'ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.

17. Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.

Vakio ny toko manontolo Romana 5