Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 5:23-35 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,

24. dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.

25. Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.

26. Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

27. Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14).

28. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.

29. Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.

30. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo.

31. Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1).

32. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.

33. Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12).

34. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;

35. na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.

Vakio ny toko manontolo Matio 5