Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 25:11-27 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.

12. Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.

13. Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

14. Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:

15. koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.

16. Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.

17. Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.

18. Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.

19. Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.

20. Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.

21. Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.

22. Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.

23. Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.

24. Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao;

25. dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.

26. Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;

27. koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.

Vakio ny toko manontolo Matio 25