Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 15:38-47 Malagasy Bible (MG1865)

38. Ary ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.

39. Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.

40. Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan'ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba kely sy Josesy,

41. izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin'ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.

42. Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan'ny Sabata),

43. dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan'ny Synedriona sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka ny fatin'i Jesosy.

44. Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.

45. Ary rehefa nahare tamin'ny kapiteny izy, dia nomeny an'i Josefa ny faty.

46. Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy.

47. Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.

Vakio ny toko manontolo Marka 15