Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 7:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.

2. Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.

3. Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.

4. Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,

5. satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.

6. Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.

7. Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

8. Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.

9. Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.

10. Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.

11. Ary taoriana kelin'izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.

12. Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.

Vakio ny toko manontolo Lioka 7