Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 18:3-17 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.

4. Ary satria fantatr'i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin'ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?

5. Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.

6. Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin'ny tany.

7. Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.

8. Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;

9. mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.

10. Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.

11. Dia hoy Jesosy tamin'i Petera: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen'ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?

12. Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin'ny Jiosy dia nisambotra an'i Jesosy ka namatotra Azy,

13. dia nitondra Azy tany amin'i Anasy aloha, fa izy no rafozan'i Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany.

14. Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.

15. Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe izy.

16. Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra an'i Petera niditra.

17. Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i Petera: Moa ianao mba isan'ny mpianatr'io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.

Vakio ny toko manontolo Jaona 18