Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 7:5-14 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;

6. nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.

7. Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.

8. Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.

9. Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,

10. satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.

11. Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?

12. Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.

13. Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara.

14. Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 7