Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 21:22-36 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.

23. Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;

24. raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.

25. Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.

26. Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.

27. Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an'i Paoly,

28. ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina.

29. (fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly izy).

30. Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly; ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady.

31. Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;

32. ary niaraka tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly.

33. Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin'ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?

34. Ary ny sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.

35. Ary rehefa tonga teo amin'ny ambaratonga izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny fifanosehan'ny olona;

36. fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 21