Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 19:3-18 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona.

4. Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.

5. Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.

6. Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.

7. Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra.

8. Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

9. Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano.

10. Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa.

11. Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro,

12. ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.

13. Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.

14. Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.

15. Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?

16. Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.

17. Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo.

18. Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 19