Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 16:9-23 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!

10. Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.

11. Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.

12. Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.

13. Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.

14. Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.

15. Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.

16. Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.

17. Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.

18. Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.

19. Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe;

20. ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra

21. ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.

22. Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.

23. Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 16