Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Jaona 2:17-29 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

18. Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.

19. Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.

20. Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin'ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.

21. Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina.

22. Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.

23. Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.

24. Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.

25. Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.

26. Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo.

27. Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.

28. Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany.

29. Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.

Vakio ny toko manontolo 1 Jaona 2